𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐏𝐑𝐀𝐈𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐑𝐀-𝐌𝐈𝐎𝐌𝐁𝐎𝐍’𝐀𝐍𝐓𝐎𝐊𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐍𝐈𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂-20 𝒇𝒆𝒃𝒓𝒐𝒂𝒓𝒚 2026]
🛑Migadona eto Toamasina ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Herintsalama Rajaonarivelo Andriamasy amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ireo delegasiaona avy amin’ny Firenena Mikambana tarihin’ny Mpandrindra maharitr’izy ireo eto Madagasikara, Andriamatoa Anthony Ngororano, sy ny avy eo anivon’ny Federasiaona Iraisampirenen’ny Croix rouge sy ny Croissant rouge tarihin-dRamatoa Caroline Dewast, tomponandraikitry ny Sampana misahana ny trano fonenana eo anivon’ny IFCR; miaraka midina ifotony mijery izay fomba ivoahana haingana ao anatin’izao voina izao.
👉🏻Ny maraina teo izy ireo no efa nihaona teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo, ary niresaka mikasika ny fanovana ho apetraka eto Toamasina sy ny fomba hijerena manokana ireo traboina marobe eto an-toerana.
🤝Mifanohana sy mifanome tanana tanteraka ny Fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola, na dia mbola ao anatin’ny dingana famoahana ireo mari-bola efa notononin’ireo mpanohana iraisampirenena aza ny Fanjakana malagasy ankehitriny, mba ahafahana mitondra izany mivantana any amin’ireo traboina, amin’ny alalan’ny BNGRC
𝐍𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚