Nidina teny amin’ny JIRAMA Antanetibe androany maraina ny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika, Michaรซl RANDRIANIRINA, niaraka taminโny Praiminisitra, Herintsalama RAJAONARIVELO, nanatitra vata mpanova herinaratra miisa 28 ho anโny JIRAMA. Mitentina 5 miliara ariary ny vidinโireo fitaovana ireo, izay marihina fa mpandraharaha eto Madagasikara no nanome azy, hoy izy.
Natao malaky izany, hoy ny Filoha Michaรซl RANDRIANIRINA, mba hamaliana ny fitarainanโny vahoaka, izay tratran’ny fahatapahan-jiro tanteraka (black out).
Miara-miaina aminโny vahoaka malagasy ireny fanapahan-jiro mifandimby ireny aho, hoy ny Filoham-panjakana, taminโny tomponandraikitry ny JIRAMA.
Nanome toromarika manokana izy, ny hijerena haingana ny faritrโIhosy izay nividianana vondrona mpihary herinaratra, ary mangataka fiaraha-miasa aminโny JIRAMA ny aminโny fitaterana izany malaky.
Nomarihinโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika koa fa tokony hiasa fa tsy miandry fitokanana ireo tobin-drano roa ao Morondava. Tsy ny jiro ihany, hoy izy, no mampikaikaika fa ny rano koa. Nilaza moa ny tale jeneralin’ny JIRAMA, Ron Weiss, fa efa vonona hanolotra ny drafitra fanarenana ny jiro sy rano ny eo anivonโny JIRAMA.
Ny Praiminisitra Herintsalama RAJAONARIVELO dia nanamafy fa mila mihetsika haingana ny eo anivonโny JIRAMA. Inona no hatao, hoy izy, ary inona no tonga dia azo hirosoana?