AFRICAN RISK CAPACITY : Natolotra ny fanjakana malagasy ny taratasim-bola mitentina 5,6 Tapitrisa dolara hanonerana ny simba taorian’ny rivo-doza Fytia sy Gezani

🗓️05 Martsa 2026
📍Lapan’i Mahazoarivo
🤝Ny Praiminisitra,lehiben’ny governemanta , Herintsalama Rajaonarivelo no nisolo tena ny fanjakana malagasy nandray ny taratasim-bola avy amin’ny African Risk Capacity ho fanonerana ny simba taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia sy Gezani.
👥Nanatrika io fotoana io ihany koa ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika Me Hanitra Razafimanantsoa sy mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta
$ Mitentina 5,6 tapitrisa dolara ity fanonerana ity ary entina hanarenana tobim-pitsaboana,efitrano fianarana, hanarenana ny simba rehetra, ary hanampiana ireo fianakaviana marefo
$ 3,2 tapitrisa dolara kosa no atolotra ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny fikambanana Start Network
👉Governemanta mitolona (gouvernement de combat), miasa, tsy mipetrapetra-poana ny governemantan’ny fanavaozana hoy ny Praiminisitra ary mahay miaro ny vahoakany.
👉Mihavao ny toe-tsaina, ny fomba fiasa ary ny fomba fitantanana
✅Ny African Risk Capacity dia rafitra fiantohana iombonan’ny firenena afrikanina hiatrehana loza voajanahary. Ny tanjon’ny ARC dia ny hanampy ny firenena afrikanina hahazo vola haingana rehefa misy loza.
‼️Koa satria i Madagasikara dia nandoa saram-piantohana ho an’ny haintany, ny rivodoza ary ny tondra-drano dia nahazo ity vola fanonerana natolotra androany ity.
✅Ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana na BAD dia mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amin’ny ARC, manampy amin’ny fanamafisana ny rafitra fiantohana ho an’ny firenena afrikanina rehefa misy loza voajanahary tahaka izay niseho teto Madagasikara.
#fifanajana#fiarahamientana#finiavana
#mepcr#fanavaozana