Nanantanteraka ny dinika savaranonando mikasika ny fikaonan-doha teny Miarinarivo fartitra Itasy ny delegasion’ny Minisiteram-panjakana notarihin’ny Sekretera Jeneraly Herimanjakatahina Laza, izay nisolo tena an’i Ramatoa Minisi-panjakana.
Navitrika tokoa ny fandraisananjaran’ny hery velona rehetra, nisy ireo izay nitondra sahady ny hetahetan’izy ireo, teo ihany koa ireo izay nanome sosokevitra mahakasika ny fandaminana mandritran’ny fikaonan-doha.
Entanina hatrany sy hanombohana sahady ny dinika isan-tsehatra mba hanamora ny fandrindrana ny fikaonan-doha alohan’ny fotoana hanombohana izany.