
Fotoana iray nentin’ny ambasadaoron’i Japon Atoa TOJIMA Hitoshi nampahatsiahy ny hatsaran’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izay ho feno 65 taona amin’ny taona 2027.

Lafiny maro no hifandraisan’i Japon sy Madagasikara : politika, toekarena, kolotsaina, fambolena.

Mahavelom-panantenana ihany koa hoy izy ny mahita fa efa mizotra amin’ny fifampiresahana ny samy malagasy ankehitriny ary hinoana fa hampandraisana anjara ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena izany, indrindra fa ny tanora. Tanjona hoy ihany izy ny ananan’izy ireo ho avy tsaratsara kokoa.

Koa noho izany dia manamafy ny firenena japoney fa hiara-dàalana sy hanohana hatrany ny malagasy ho amin’ny lalan’ny fandriam-pahalemana, ny fahamarinan-toerana ary ny fandrosoana.

Tamin’ny anaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy governemanta ary ny vahoaka malagasy kosa, no nanoloran’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Christine Razanamahasoa ny teny firariantsoa ho an’ny Emperora Naruhito noho izao tsingerintaonany izao.Nambarany ihany koa fa teo anilan’i Madagasikara foana ny firenena japoney hatramin’izay fotoana nisian’ny fifandraisana ara-diplômatika izay.

Notsipihiny manokana ny fanohanan’i Japon ny vahoaka malagasy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani sy Fytia lasa teo.

Ary vao ny alarobia 4 martsa lasa teo ihany koa no nanasoniavana ny tetikasa hanatsarana ny fahazoan’ny mponina ao Toamasina herinaratra. Izany hoy izy dia manamarika ny fahatsaran’ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta