
Ity fotoana androany ity dia nentina indrindra hanentanana momba ny zon’olombelona, ny zon’ny vehivavy ary ny zon’ny ankizy . Tamin’ny alalan’ny tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe « Zakoa » no nampitana ny hafatra.

Nanatrika ity fotoana ity ny reny mpiahy ireo hetsika 8 Martsa Ramatoa Elisa Randrianirina, ny vadin’ny filoham-pirenena , ny vadin’ireo Mpanolotsaina Avo, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina.
Nanana solontena ihany koa ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.

Nosoratan’i Hary Rabary, nolalaovin’ny tropy Miangaly ary narindran’ i Christiane Ramanantsoa .

Tantara nanehoana ny herisetra nianjady tamin’ny zazavavikely antsoina hoe Rota. Vao teraka dia tsy tian’ny reniny izy ary saika nariany. Rehefa lehibebe dia voaolana hatrany. Ary rehefa nianatra teny amin’ny Oniversite aza izy nalain’ny olon-tiany am-pitaka ka nasainy naolana tambabe. Saingy nahay niarina tamin’ny fiainana izy ka tafita soa lasa dokotera mpitsabo ankizy.

Samy nampiseho ny heviny mahakasika ny tantara ny mpanatrika ary samy nisintona ny lesona sy ny asa tokony hatao manoloana ny herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny vehivavy ny tsirairay.