πŸ—“οΈ06 martsa 2026
πŸ“Talatavolonondry
🌳🌳Mbola ao anatin’ny fankalazana nasionaly ny andron’ny vehivavy dia nifampitaona niaraka namboly hazo teny Talatavolonondry indray androany ireo solontena vehivavy mpiasam-bahoaka sy misehatra amin’ny fanjakana rehetra notarihin’ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, 𝐄π₯𝐒𝐬𝐚 π‘π€ππƒπ‘πˆπ€ππˆπ‘πˆππ€ sy ny vadin’ireo mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana.
Β Β» 𝐸𝑛𝑔a π‘Žπ‘›π‘–π‘’ β„Žπ‘–π‘‘π‘œπ‘šπ‘π‘œ π‘‘π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘˜π‘Ž 𝑛𝑦 π‘“π‘Žπ‘šπ‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Ÿπ‘œπ‘ π‘œπ‘Žπ‘›π‘Ž β„Žπ‘’π‘£π‘’π‘Ÿπ‘–π‘›π‘‘π‘ π‘–π‘˜π‘Ž β„Žπ‘œ π‘Žπ‘›’𝑖 π‘€π‘Žπ‘‘π‘Žπ‘”π‘Žπ‘ π‘–π‘˜π‘Žπ‘Ÿπ‘Ž 𝑛𝑦 β„Žπ‘Žπ‘§π‘œ π‘£π‘œπ‘™π‘’π‘›π‘‘π‘ π‘–π‘˜π‘ŽΒ Β» hoy ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana raha nandray fitenenana izy. Nambarany fa ny fiaraha-mientana amin’ny fambolenkazo androany dia hetsika fanasoavana ny firenena ary ho an’ny tontolo iainana ihany koa.
🌳🌳 Karazana zanakazo miisa 3000 no novolen’izy ireo.
πŸ‘­πŸ‘­Nandray anjara tao tanatin’ity hetsika ity ihany koa ireo solontenan’ny vehivavy miasa ao amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.