𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐
[𝑭𝒂𝒉𝒂-16 𝒎𝒂𝒓𝒔𝒂 2026]
✅Tontosa soamantsara androany teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Praiminisitra teo aloha, Andriamatoa Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ny Praiminisitra vaovao, Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin.
🎤Niombonan’ny roa tonta ny fankasitrahana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely Randrianirina Michaël, noho ny fitokisana lehibe napetraka tamin’izy ireo. Ankoatra izany dia firariantsoa sy tsodrano tetsy andaniny no votoatin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Praiminisitra teo aloha.
📌Ny Praiminisitra vaovao kosa tetsy ankilany nanambara fa hitohy sy hohamafisina ny asa efa natao sy ireo ezaka fanavaozana, ary tsy misy safidy hafa hoy izy, ankoatra ny fahombiazana ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Nohamafisiny tamin’izany fa andraikitra lehibe napetraka aminy ny fanatanterahana ny Pôlitika Ankapoben’ny Fanjakana mikendry ny fanadiovana ho mangarahara ny fitantanana hahazoana vokatra azo tsapain-tanana, sy ny fampiraisana indray ny Malagasy manerana ny lafivalon’ny Nosy.
🤝Nanatrika ity fotoan-dehibe ity ireo tomponandraikitra ambony sivily sy miaramila, ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, ireo mpiray andiany faha-23 tamin’ny Praiminisitra vaovao fony izy tany amin’ny Akademia miaramila, ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Primatiora sy ny rantsamangaikany, ary ireo solontena avy amin’ny SAMIFIN. Taorian’izany dia nisy ny fanompoam-pivavahana niraisan’ny rehetra ho fangataham-pitahiana amin’ny andraikitra, ny asa ary ny ezaka hotanterahina.
𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮