
Notanterahana androany teny amin’ny Fitsarana am-tampony teny Anosy ny fanoloran’ny Filohan’ny Fitsarana ambony momba ny kaonty ny tatitra ampahibemaso momba ny fitantanana ny fanjakana nandritry ny fe-potoam-piasana 2025.

Nanatrika ity lanonana ity ny Filohan’ny Fanavaozana, ireo Mpanolo-tsaina Avo, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Nanana solontena ihany koa ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika

Minisitera sy sampan-draharaham-panjakana miisa 14 no nanaovana fitsirihana ka teboka maromaro no nasongadina tao anatin’izany :

Fanondikondinam-bola : 3811 miliara ariary ny volam-panjakana very ny taona 2025.

Tsy fahampiana na tsy fisian’ny fanaraha-maso ny asa tanterahana anefa namoahana volam-panjakana

Teo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana ohatra dia 28 ny lohamasinina novidiana saingy 4 ihany no mandeha ankehitriny. Nisy ny famatsiam-bola 37 miliara ariary natokana ho an’ny tetikasa kanefa ny 19,5 miliara ariary no tafiditra tao anatin’ny kaontin’ny « train urbain » raha toa ka nafindra any amin’ny kaontin’ny Madarail ny 17,5 miliara ariary hanaingana indray ity farany

Kitranoantrano amin’ny tsenam-barom-panjakana :

Fividianana mivantana no natao tamin’ny fividianana fanamiana ho an’ny mpitandro filaminana izay mitentina hatrany amin’ny 4,56 miliara ariary ka tsy nisy ny appel d’offres. Efa naloa ny vola na dia mbola tsy naseho na voaray aza ny entana tamin’ny fotoana nanaovana sonia ny taratasy fanamarinana ny fandraisana

Tamin’ny fividianana zezika nataon’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo dia nisy tompon’andraikitra ambony tamin’ny orinasa iray izay voatendry nitana andraikitra ambony tao amin’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo . Mitentina 21 miliara ariary ny vola nividinana ny zezika, natao fifanarahana mivantana tamin’ny mpamatsy ary ny orinasa izay niasan’ilay tomponandraikitra teo aloha no nahazo azy

Tsy araka ny tokony ho izy ny drafi-panatanterahana ny tetikasa ka lasa kitoatoa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa : teo anivon’ny minisiteran’ny indostria ohatra dia tsy voahomana mialoha ny toerana hametrahana ireo fotodrafitrasam-pamokarana tao anatin’ny tetikasa ODOF

Fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena indrindra fa ny volamena. Milanja 04 taonina no naondrana an-tsokosoko tao anatin’ny 2 taona, ny teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2023 raha ny tatitra ny fitsarana momba ny kaonty androany

Tsy ampy ny fanarahamaso ny fanananam-panjakana toy ny fiara, moto, ny solosaina ny trano sy tany

Momba ny Fonds souverain malagasy « FSM » dia 500,8 milliara ariary ny toe-bola anatiny ary napetraka tao amin’ny banky Foibe. Ireo loharanom-bolan’ny FSM : Fanjakana (189 miliara) , sy QMM (13 miliara) ary ny SPAT (50 tapitrisa euros). Nividianana bus miisa 312 isa (53 miliara ariary), fandaniana sponsoring (157 miliara ariary) , ary nividianana haingohaingo mamiratra miendrika rano ny 9,7 miliara ariary