🔴🟢Tanterahina ao Antsirabe ny 23 hatramin’ny 27 Martsa 2026 ny atrikasa momba ny fahasalamam-bahoaka ifotony. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny Minisitera misahana ny Fanavaozana (MCR).
🟢Ny fahasalamana no voalohan-karena, ny « Fanavaozana » dia ny fametrahana izany ho laharam-pahamehana amin’ny fanovana ny fomba fitantanana eny anivon’ireo faritra.
Ireo teboka nibahan-toerana nandritra ny atrikasa dia :
• Ny sata mifehy ny mpanentana ara-pahasalamana (Agents Communautaires).
• Ny fanomezan-danja ny firotsahana an-tsitrapo.
• Ny fanatsarana ny fampitaovana ireo CSB.
• Ny vatsy ara-bola (FANOME sy PhaGeCom).
🟥Fanamby : Ilaina ny fanavaozana ifotony ny sata sy ny fitantanana ny vola mba hitondra voka-tsoa maharitra sy mivaingana ho an’ny vahoaka rehetra.
🔹 Nandritra ny fidirany an-tsehatra, ny solontenan’ny MCR dia nanamafy fa ilaina ny mampakatra ireo fehin-kevitra rehetra ireo mba ho lasa dingana raikitra ao anatin’ny fakan-kevitra nasiônaly ho avy izao.
📌 Ny dingana manaraka :
✅ Famaranana ny fehin-kevitry ny atrikasa. ✅ Fampidirana ny fahasalamam-bahoaka ho lohahevitra fototra amin’ireo dinika momba ny fitantanana ny tanàna.