🟩Tsy mitsahatra ny mikaroka ny vahaolana rehetra ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny Fitsidihana ara- diplomatika any Afrika.
🟩Nanombohany izany ny ao Guinée Equatoriale. Nigadona omaly 26 martsa tany an-toerana, tao Malabo, renivohitr’ i Guinée Equatoriale ny Filoha, kolonely Randrianirina Michaël ary ny harivan’iny ihany dia noraisin’ny Filoha Teodoro Obiang Nguema Mbasogo.
🟥Tanjona voalohany ny fitadiavam-bahaolana sy fandresen-dahatra ny Vondrona Afrikanina mba hanafoanana ny sazy mianjady amin’i Madagasikara taorian’ny fiovam-pitondrana. Izao fitsidihana izao ihany koa no hametrahana fototra vaovao ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. “Ny firaisankina afrikanina dia tsy teny filamatra fotsiny fa tena hery…” hoy ny Filohan’ny Fanavaozana nandritry ny fihaonana.
🟥Nitondra ny faniriany hikaroka fomba fiasa mivaingana hanamorana ny varotra, hamporisika ny fampiasam-bola tsy miankina ary vonona hametraka ny fepetra hisian’ny fiaraha-miasa ara-toekarena maharitra koa ny Filohan’ny Fanavaozana.
Noraisin’ny Filoha Gineanina araka ny fanajana sy arofenitra rehetra takian’ny maha Filoham-panjakana azy moa ny Filoha Malagasy. Hanamarika kihon-dalana iray manan-danja eo amin’ny fifandraisan’ny Firenena roa tonta izao fitsidihina ara-pomba ofisialy izao ary matoky aho fa hisy vokatra azo tsapain-tanana…” hoy hatrany ny Filoha Randrianirina Michaël.
📷PRRM