Tanàna madio, olona an-jatony hisitraka tohana ara-bola sy ara-tsosialy: ireo no vokatra roa lehibe andrasana amin’ny asa fanadiovana ho tanterahina manerana ireo boriborintany enina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nanomboka androany ny asa ka ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Rtoa Elisa Randrianirina no nitarika izany tamin’ny fomba ofisialy teny Andohatapenaka.
Ankoatra ny vola raisina ho tambin’ny asa fanadiovana izay ataony, dia notolorana fanampiana entiny hiatrehana ny fiainana andavanandro ireo rehetra mandray anjara amin’izany asa fanadiovana izany.
Lakandrano mirefy 1000 metatra no ho voadio ho an’ny eo Andohatapenaka II ary olona 150 no hanatanteraka ny asa mandritra ny roa andro.