𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐝𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐤𝐫𝐞𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐨𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐞 𝐈𝐧𝐝𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚

Antananarivo, faha 7 Aprily 2026

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra tsy ara-potoana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI), nandritra ny fivoriana nampitain-davitra ny 7 aprily 2026, ny fanendrena ny kandidà malagasy, Dr Ibrahim Norbert Richard, ho Sekretera jeneraly faha-iraika ambin’ny folon’ny Fikambanana. Izany dia taorian’ny tolo-kevitra naroson’i Madagasikara, izay neken’ireo firenena mpikambana ho kandidà « manana ny maha izy azy sady mifanaraka tsara amin’ireo fanamby goavana », indrindra amin’izao fotoana hanamafisan’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina ny anjara asany amin’ny fampiroboroboana ny firaisankina, ny fitoniana ary ny fampandrosoana lovain-jafy eo amin’ireo firenena mpikambana.

Ny Repoblikan’i Madagasikara dia mirehareha amin’izao fanendrena izao, izay manaporofo ny fahatokisana ny fahaiza-manao sy ny fahavononan’ny Dr Ibrahim Norbert Richard amin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo firenena mpikambana. Izany koa dia mampiseho ny fandraisana anjara mavitriky ny diplomasia malagasy amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra sy ny fampamiratana ny faritry ny ranomasimbe Indiana.

Ny fanolorana kandidà malagasy manana traikefa sy fahaizana ara-teknika dia tafiditra ao anatin’ny finiavana handray anjara amin’ny fanamafisana ny fahombiazana sy ny herin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana manoloana ireo fanamby vaovao ao amin’ny faritra sy iraisam-pirenena.

Diplomaty malagasy matihanina ny Dr Ibrahim Norbert Richard, ary manana traikefa efa ho efapolo taona eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa marolafy. Manana ny mari-pahaizana Doctorat en droit izy ary fantatra amin’ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fifanakalozan-kevitra ara-politika, ny fitantanana iraisam-pirenena ary ny fiaraha-miasa isam-paritra.

Ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny dia manamafy ny mahazava-dehibe ny fahavitrihan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, miompana amin’ny asa azo tsapain-tanana sy mamaly ny laharam-pahamehan’ireo firenena mpikambana sy ny hetahetan’ny mponina eo anivon’n firenena tsirairay avy.