
Ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michael Randrianirina no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fihaonana androany ity. Nanatrika ny lanonam-panokafana ihany koa ireo Mpanolotsaina Avon’ny fanavaozana, ny Médecin Général Manantenasoa Marcellin Zafitasondry Ranoelson, ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa,ny Kolonely Solofoniaina Thierry Rampanarivony.

Tonga nanotrona ity fotoam-panokafana ity ihany koa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison, ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta ka anisan’izany ny Miniisitra misahana ny fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa.

Tao anatin’ny fandraisam-pitenenany dia nanambara ny filohan’ny Fanavaozana fa fotoana izao hanovana ny tantara satria hatreto dia tsy mampanankarena antsika ny harena ananantsika.
Ampy izay hoy ny filoha ka aoka isika :

hanana toetsaina mahasahy

hifamelona sy hifampitsinjo

hanome lanja ny vita malagasy

ho sahy hananika ny avo

Eo anatrehan’izany dia mijoro ny fanjakana hanohana ny sehatra tsy miankina ka

hametraka politika hisarika ny fampiasam-bola vahiny

hanampy ireo tanora hanatanteraka ny tetikasa ka hanova ireo hevitra ho lasa harena

ho sahy hirotsaka an-tsehatra amin’ny tsena eo anivon’ny faritry ny ranomasimbe indiana.

Ataontsika tombony ny maha-toerana stratejika an’i Madagasikara.