Miroso miandalana amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny Minisitera misahana ny fanavaozana sy ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena.

Ny fikaonandoha isan-tsehatra toy itony dia entina hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Noho izany dia mitantsoroka tanteraka ny Minisitera misahana ny tanora ny eo anivon’ny Minisitera misahana ny fanavaozana araka ny nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Resy lahatra ihany koa ny tenany fa manana ny toerany lehibe ny tanora ka rariny raha hikaon-doha manokana.

Ity fotoana ity ihany koa no nahafahan’Andriamatoa Désiré Rasambany, Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena nampahafantatra ireo fomba entina hanatanterahana fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora izay efa voarakitra tanaty antontan-kevitra. Tanaty fomba fiasa mampiaty no nandrafetana izany antontankevitra izany ka nandray anjara tao avokoa ny solontenan’ny tanora, ny solontenan’ny Minisitera samihafa ka anisan’izany ny Minisitera misahana ny fanavaozana.

Manohana akaiky ity fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ity moa ny rafitry ny Firenena Mikambana. Ary nandritra ny fihaonana androany dia nampiseho fahavononana hanampy ary nanoritra ireo làlana tokony hizorana mba hahafahana mampirindra ny fanohanana ara-bola Andriamatoa Anthony Ngororano, Solontena maharitry ny PNUD izay miasa sy monina eto amintsika.