🗓️ 10 Aprily 2026
📍 Minisitera misahana ny Fanavaozana Antaninarenina
Fikaonandoham-pirenena : Fitaovana informatika maro samihafa avy amin’ ny PNUD ho an’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana
✅ Noraisin-dRamatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, tao amin’ny birao fiasany ao Antaninarenina androany ny delegasiona notarihin’ny solontena maharitry ny PNUD, Andriamatoa Edward Christow.
👉 Natolotr’izy ireo tamin’izany ny fitaovana informatika nahitana solosaina, ny solaitra mangirana, ny “imprimantes” ary “onduleurs”
🙏 Nandritra ity fihaonana fanolorana ity dia naneho ny fankasitrahany ny fanohanana avy amin’ireto mpiara-miombon’antoka ireto ramatoa minisitra, satria hanampy betsaka amin’ny fanatanterahana ny asa eto anivon’ny Minisitera misahana ny fanavaozana ary indrindra amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fikaonandoham- pirenena ireto fitaovana ireto.
✅ Taorian’izao fanolorana fitaovana izao dia nitohy ny dinik’asa nifampiresahan’ny roa tonta mahakasika ireo dingana fanomanana ny fikaonandoham-pirenena
✅ Noresahina nandritra ny fihaonana ihany koa ny momba ny zotra arahana entina hanomanana ny fifidianana izay tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana amin’ny Fanavaozana ny Repoblika
🤝 Anisan’ireo rafi-panjakana nisitraka ny tolotra avy amin’ny PNUD araka izay efa voalaza tamin’ny Talata 7 Aprily lasa teo teny anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra ihany koa moa ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.