🗓️11 Aprily 2026
📍Distrika Antsirabe II
Fikaonandoha fampiharana: tao Antsirabe II no nanombohana azy
✅Ny fokontany Tsarafara sy Tsarafiraisana, kaominina Ambano, distrika Antsirabe II no nanatanterahana ny fikaonandoha andrana sady fampiharana androany.Tafiditra indrindra ao anatin’ny Programan’ny Fanavaozana sy ny tetiandro napetraky ny Minisitera misahana ny Fanavaozana
‼️Noentina tamin’ny fomba hafa manakaiky vahoaka kokoa ity fikaonandoha ity ka nihaino mivantana ny fanehoankevitr’ireo olom-pirenena nandray anjara tanaty vondrona ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa. Tsy niseho mivantana izy fa nampitovy ny tenany tamin’ny vahoaka. Ny antony hoy izy dia mba ho sahy hiteny amin- kahalalahana ny olom-pirenena mba tsy hatahotra mpitondra fanjakana.
👉Zavatra lo nandritra ny fotoana lava tsy vita mora ka tsy maintsy miainga amin’ny fototra aloha ny asa rehetra
🎯Tanjona ny hanomezana sehatra ho an’ny vahoaka eny ifotony hahafahany maneho ny heviny, ny hetahetany ary koa ny vahaolana heverin’izy ireo hamahana ny olana sedrainy.
👉Fotoana nentina ihany koa nampiharana ireo fiofanana azon’ ireo mpitarika sy ireo mpandrindra ny ady hevitra.
✅Ny hevitra naroso rehetra tao anatin’izao fikaonandoha izao dia horaketina anaty antontankevitra ka hodinihina anaty fikaonandoham-pirenena.
✅Dieny izao dia zarina ihany koa ny fokonolona hamerina ny fivoriambe hitondrana ny Lohahevitra rehetra mila hifampiresahana ao anaty fokontany.
Ministère Chargé de la Refondation