
Nahatratra 451 ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity fikaonandoha fampiharana ity ary nozaraina tanaty vondrona 16 izy ireo. Fisedrana ireo paikady napetraka no natao mba hampahomby ny Fikaonandoha izay hanomboka amin’ny volana jolay.

Marobe ireo soso-kevitra naroson’ny mpandray anjara isam-bondrona ary anisan’ny nisongadina tao anatin’izany ireto voalaza manaraka ireto:

Fitsinjaram-pahefana satria mivangongo ao amin’ny fitondrana foibe avokoa na ny fahefana na ny olona na ny vola.

Fametrahana ny mangarahara sy fanjakana tsara tantana

Fanomezana kara-tany faobe

Fangatahana famatsiam-bola avy any amin’ny fanjakana satria ambony loatra ny zana-bola alain’ny banky ho an’ireo mpiasa tena

Fanampiana fikarohana làlam-barotra ho an’ireo mpanao asa tànana

Fanovana ny fandaharam-pianarana mba hifanandrify amin’ny tolotr’asa

Fametrahana fitaovana manaraka teknolojia eo anivon’ny fampianarana

Fitsaboana maimaimpoana ho an’ny vondron’olona marefo

Fanafainganana ny fomba fiasa eo amin’ny sampandraharaham-panjakana na fametrahana tetiandro hahazoana valiny amin’ny asa izay atao

Ho an’ireo manana fahasembanana : fampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavina tamin’ny taona 1994

Fitakiana karama farany ambany ho 1 tapitrisa ariary

Fitakiana ny hamahana ny olan’ny jiro fa manimba ny asa fandraharahana

Fanamboarana ireo làlana simba izay mitondra fatiantoka

Lalàna mifehy ny asa: miandany amin’ny mpampiasa ka mila ovaina

Tokony hisy ny fanentanana mahampafantatra fa tsara ny fanatanjahantena ary tokony hisy mpampiofana ara-panatanjahantena isaky ny fokontany

Tokony hampahafantarina mazava ny hetra tokony aloan’ny mpandraharaha fa tsy arakaraka izay mahafinaritra ny mpiasan’ny hetra