𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐

[𝑭𝒂𝒉𝒂-2 𝒎𝒂𝒓𝒔𝒂 2026]

📍Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany teto Ivato ny fikaonandoha eo anivon’ny Polisim-pirenena, mikendry ny fanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ireo avy amin’ny ivon’ny fibaikona no voalohany nanomboka izany, raha ny faha-5 marsa ho avy izao no hatao ny any amin’ireo Faritra tsirairay, ary ny faha-30 marsa kosa ny fikaonandoha nasiônaly.

🔵Tonga nanokatra ny hetsika ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely Randrianirina Mickaël, notronin’ireo Mpanolotsaina Avo. Nanatrika izany koa ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ary ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny.

👉🏻“Ahoana ny endriky ny Polisimpirenena amin’ny taona 2036?” Io no lohahevitra nosafidian’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, hijerena manokana ireo olana fototra atrehan’ny Polisimpirenena sy ny fahasarotana iainan’ny vahoaka amin’ny sehatry ny fiarovana. Hojerena mandritra izany koa ireo paikady sy tondrozotra mazava hamahana ireo sakana rehetra, hanatsarana ny asa, hanomezana vokatra azo tsapain-tanana sy ara-potoana, ary hametrahana fandriampahalemana maharitra manerana ny nosy.

✅Natolotra nandritra ity lanonam-panokafana ity koa ny filamatra vaovao eo anivon’ny Polisimpirenena: “Fitiavana, Fahadiovam-po, Fahamasinana”.

Loharanom-baovao: Primature – Lapan’i Mahazoarivo