MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
Notanterahina androany Alakamisy 7 Mey 2026, tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Tampony, ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ireo Mpikambana vaovao ao amin’ny Birao Maharitry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny fifidianana (CENI). Lanonana izay natrehin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika , ny GBR RABEARIMANANA Lucien.
Ireto avy izy ireo :
Andriamatoa ABRAHAM Rajafetra Setraniaina Solomanjaka : Avy amin’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalam-panorenana
Ramatoa RAMBINA Danielle Oméga : Avy amin’ny Fitsarana Tampony
Andriamatoa RABETOKOTANY Mamy : Avy amin’ny Holafitry ny Mpisolovava
Ramatoa RAKOTOARISOA Anitra : Avy amin’ny Holafitry ny Mpanao gazety
Andriamatoa RABENANDRASANA Cyrille : Avy amin’ny Firaisamonim-pirenena
Ramatoa ANDRIATSIMIALA Lanjaniony Sariaka : Avy amin’ny Firaisamonim-pirenena .