🗓️9 Aprily 2026
📍CEO Summit Indian Ocean andiany faharoa : Fomba fijery hafa, tontolo hafa vaovao, fahasahiana hametraka ho avy vaovao
✅Firenena 23 no voasolo tena mandray anjara amin’ny andiany faharoa amin’ny fihaonana ara-toekarena CEO Summit Indian Ocean izay tanterahana eny Ivandry mandritra ny roa andro.
👥Mpandraharaha, tompona orinasa, mpampiasa vola no mandray anajra amin’ity fihaonana ity. Sehatra iray hahafahana mifanakalo hametrahana fiaraha-miasa vaovao, hiaraha-midinika ny fampiasam-bola azo atao hahafahana misandratra eo anivon’ny ranomasimbe Indiana.
✅Ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michael Randrianirina no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fihaonana androany ity. Nanatrika ny lanonam-panokafana ihany koa ireo Mpanolotsaina Avon’ny fanavaozana, ny Médecin Général Manantenasoa Marcellin Zafitasondry Ranoelson, ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa,ny Kolonely Solofoniaina Thierry Rampanarivony.
✅Tonga nanotrona ity fotoam-panokafana ity ihany koa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison, ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta ka anisan’izany ny Miniisitra misahana ny fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa.
🗣️Tao anatin’ny fandraisam-pitenenany dia nanambara ny filohan’ny Fanavaozana fa fotoana izao hanovana ny tantara satria hatreto dia tsy mampanankarena antsika ny harena ananantsika.
Ampy izay hoy ny filoha ka aoka isika :
👉hanana toetsaina mahasahy
👉hifamelona sy hifampitsinjo
👉hanome lanja ny vita malagasy
👉ho sahy hananika ny avo
✅Eo anatrehan’izany dia mijoro ny fanjakana hanohana ny sehatra tsy miankina ka
👉hametraka politika hisarika ny fampiasam-bola vahiny
👉hanampy ireo tanora hanatanteraka ny tetikasa ka hanova ireo hevitra ho lasa harena
👉ho sahy hirotsaka an-tsehatra amin’ny tsena eo anivon’ny faritry ny ranomasimbe indiana.
👉Ataontsika tombony ny maha-toerana stratejika an’i Madagasikara.
🎯Tanjona ny hahalasa antsika ho firenena matanjaka eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana
#MCR#Fanavaozana
#𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚_𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐧𝐢𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚