πŸ—“οΈ07 martsa 2026
πŸ“Efitrano fivoriana, Kianja BAREA Mahamasina
βœ… Famelabelaran-kevitra no nentina nanohy ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy androany teny Mahamasina. Ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, 𝐌𝐞 π‡πšπ§π’π­π«πš π‘π€π™π€π…πˆπŒπ€ππ€ππ“π’πŽπ€ no nitarika izany.
βœ…Nandray anjara tanatin’ny fanazavan-kevitra ihany koa
✦ Ramatoa Rova Rabetahiana , tale jeneraly misahana ny Mponina. ✦Ramatoa Lantoharitiana Rakotomalala, Talen’ny observatoire eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana,✦Andriamatoa Tombohavana Fabien, Mpitsara ary tale misahana ny zon’olombelona sy ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ary ✦Andriamatoa Valdidio Diaye solontena maharitra ny EISA eto Madagasikara.
🎯Niompana indrindra amin’ny zon’ny vehivavy ity famelabelarana sy fifanakalozan-kevitra ity. Niray feo ny rehetra fa tsy tokony hijanona amin’ny resaka fanentanana sy fankalazana mandalo intsony ny Andron’ny 8 martsa fa tokony zavatra iainana an-davanandro.
πŸ”΄Misy ny andraikitra tsy maintsy raisina, asa tsy maintsy atao ao anatin’izany ary aminΒ Β»izao fotoanan’ny Fanavaozana izao indrindra dia mila mandray andraikitra voalohany ny vehivavy.
🟒Nosoritan’ny Minisi-panjakana tamin’ny famelabelarana nataony fa raha ny vehivavy maro an’isa eto amin’ny firenena no tsy vonona dia ho sarotra ny miroso amin’ny fanavaozana.
πŸ”΄Nanentana ireo vehivavy rehetra tonga nanatrika ity fotoana ity mba handray anjara mavitrika sy feno amin’ny fikaonandoha izay hanomboka eny amin’ny fokontany satria izy ireo no tena mahalala ny marary azy, ny marary ny tokantranony sy ny ankohonany.
Ireny hevitra ireny moa no ho entina eny anivon’ny kaominina, ny distrika, ny faritra ary entina amin’ny fikaonandoham-pirenena .
🟒Nivoitra ihany koa nandritry ny fandraisam-pitenanan’ny Minisi-panjakana Me Hanitra Razafimanantsoa fa ny hevi-dehibe mahakasika ny vehivavy dia tsara ampidirina anatin’ny LalΓ mpanorenana mba ho voaaro ao anatin’ny LalΓ mpanorenana ny vehivavy.
βœ…Ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana kosa dia nanoritsoritra fa tokony miakatra eo amin’ny latabatry ny fanapahan-kevitra ny vehivavy. Ary ny politika raisina amin’ny sehatra maro samihafa dia tokony hijery momban’ny vehivavy. Tokony hisy tetibola mirona amin’ny miralenta eny anivon’ny minisitera tsirairay.
βœ…Ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Fitsarana kosa dia naneho fa tena mbola vitsy ny vehivavy manana anjara toerana eo amin’ny fitantanana ny firenena ary mbola tsy tena misy ny lalΓ na miaro ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara.
βœ…Fotoana mety hanovana izany izao fotoanan’ny Fanavaozana izao ary mitaky andraikitra amin’ny tsirairay izany satria mitaky andraikitra ny zo, araka ny nambarany avy eo amin’ny EISA.
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana
#mepcr#fikaonandoha#Fanavaozana