🗒️30 Martsa 2026 📍 Andohatapenaka

✅ Tanàna madio, olona an-jatony hisitraka tohana ara-bola sy ara-tsosialy: ireo no vokatra roa lehibe andrasana amin’ny asa fanadiovana ho tanterahina manerana ireo boriborintany enina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
👥 Nanomboka androany ny asa ka ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Rtoa Elisa Randrianirina no nitarika izany tamin’ny fomba ofisialy teny Andohatapenaka.
👉Ankoatra ny vola raisina ho tambin’ny asa fanadiovana izay ataony, dia notolorana fanampiana entiny hiatrehana ny fiainana andavanandro ireo rehetra mandray anjara amin’izany asa fanadiovana izany.
👉Lakandrano mirefy 1000 metatra no ho voadio ho an’ny eo Andohatapenaka II ary olona 150 no hanatanteraka ny asa mandritra ny roa andro.
✅Mbola hitohy mandritra ity herinandro ity eny amin’ny boriborintany hafa izao asa sosialy izao.