FANAMBARAM-PANANANA HO AN'NY MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FANAVAOZANA

🗓 9️⃣ Febroary 2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣
📍 Birao Mahaleo tena miady amin’ny Kolikoly Ambohibao
✅ Tontosa androany teny amin’ny Biraon’ny BIANCO Ambohibao ny fanambaram-pananana ho an’ireo Mpiasam-panjakana ambony voatendry ao amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Ka ny ny tale jeneralin’ny Bianco no nandray ny antontantaratasy
👉 Voakasika ao anatin’izany ny Sekretera jeneraly, ireo Tale jeneraly, ny Talen’ny kabinetra, ireo Tale eto amin’ny fitondrana foibe rehetra ary ny tompon’andraikitra misahana ny tsenambaro-panjakana (PRMP).
✅ Faharesen-dahatra haneho ny mangarahara sy fahavononana hiady amin’ny kolikoly no anton’izao hetsika izao
📜 Manaja lalàna koa ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ka ho fampiharana ny lalàna laharana faha- 2016 – 020 tamin’ny 22 Aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly :
👉nirosoana ny fanambaram-pananana , roa volana taorian’ny fanendrena raha 3 volana no voafaritry ny lalàna
‼Sazy enim-bolana hatramin’ny 5 taona, miampy lamandy 50 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar no miandry izay tsy manao fanambaram-pananana.
✅ Isaky ny roa taona no mila havaozina ny fanambaram-pananana