🗓️Alatsinainy 02 martsa 2026
📍Antaninarenina

🗓️Alatsinainy 02 martsa 2026
📍Antaninarenina
🇲🇬Misy antony manokana ny fananganan-tsaina: fototra fandrosoan’ny olona, mampivelatra fahalalana ary fivelaran-tsaina hoy ny Minisi-panjakana,
𝐌𝐞 𝐇𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 androany nandritra ny fananganan-tsaina voalohany nataon’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗮𝗱𝗶𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗥𝗲𝗽𝗼𝗯𝗹𝗶𝗸𝗮 (𝗠𝗘𝗣𝗖𝗥)
✦𝑭𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒋𝒂𝒏𝒂 -𝑭𝒊𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂-𝒎𝒊𝒆𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂 -𝑭𝒊𝒏𝒊𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂✦ ireo soatoavin’ny Minisiteram-panjakana ireo no hafatra voaloha nataony tamin’ireo mpiara-miasa aminy.
🟢🇲🇬 Nandritra ity fotoana fananganan-tsaina ity ihany koa dia nifampizara ireo asa sy dingana vita nandritra izay efa-bolana niasan’ny Minisiteram-panjakana izay ary nifampizara tamin’ireo mpiara-miasa rehetra ihany koa izy momba ireo asa miandry amin’ity volana martsa iray manontolo ity sy ny asa ho tanterahina mandritry ity herinandro vaovao ity.
🔴Anisan’ny asa hanamarika ity volana martsa ity ny fanombohana ny fikaonandoha andrana izay atao amin’ny faritra telo. Etsy andanin’izany ihany koa anefa dia miara-misalahy hatrany amin’ireo sehatra mikarakara fikaonandoha ny minisiteram-panjakana anisan’izany ny avy eo amin’ny polisim-pirenena izay miatrika izany amin’ity herinandro ity. Eo ihany koa ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena izay mikarakara ny fikaonandoha ho an’ny tanora.
🗓️🇲🇬Isaky ny alatsinainy voalohany amin’ny volana no hanatanterahana anatanterahana ny fananganan-tsaina eto amin’ny Ministeram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.