
Hoy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Herintsalama Rajaonarivelo nandritra ny lahateniny:

Mifameno ny andraikitry ny Fiangonana sy ny Fitondram-panjakana eo amin’ny fitantanana ny fiaraha-monina. Ny Fiangonana no manome ny làlam-pinoana hahafahana manana fiainana mendrika amin’ny maha-krisitianina. Ny Fanjakana kosa no mametraka ny lamin’asa sy paikady rehetra mba hisian’ny fivoarana ara-toekarena.rehefa mandroso ny toe-karena dia handroso koa ny sosialy izay iandraiketan’ny Fiangonana

Hanangana ny fototra ny governemanta ao anatin’ny « Refondation » ka hohajaina ny fepotoana 24 volana araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo Momba ny Lalàmpanorenena

Antenaina kosa ny mpandimby izay handray ny fitantanana vaovao hanangana ny tranobe aorian’izay

Tsy misy ny Fanavaozana raha tsy misy ny fihavaozan’ny toetsain’ny tsirairay: andeha hihavao,manàna fo madio