
Ny krizy nipoitra tamin’ny taona lasa, vokatry ny fahatapahan-jiro sy rano matetika, ny kolikoly rafitra, ary ny tsy fahampian’ny fandraisana anjara ho an’ny tanora, dia nanaporofo ny tsy fahafahan’ny andrim-panjakana mamaly ny filàn’ny vahoaka amin’ny fomba mahomby sy manome antoka ny filaminam-bahoaka.

Izany dia nampiseho fa ny andrim-panjakana malagasy dia marefo amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fahantrana ilaina amin’ny fanatratrarana ny fanamby sosialy, ara-toekarena ary politika.

Noho izany, ny fanamafisana ny fahombiazana, ny fandraisana andraikitra ary ny fampisehoan’ireo rafi-panjakana dia tena zava-dehibe tokoa amin’ny fitantanana izao Fanavaozana izao .

Araka izany, ny fandaharan’asa « Institutions Efficaces » dia hifantoka amin’ny fametrahana rafi-panjakana sy andrim-panjakana mahomby. Tafiditra indrindra ao anatin’ny « Drafitry ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana lovainjafy eo anivon’ny Firenena Mikambana 2024-2028 » izay sahanin’ny PNUD Madagasikara

Anisan’ireo nanatrika ity fivoriana ity ny tompon’nadraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteram-panjakana miadidy ny Fanavaozana ny Repoblika.