Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
FIATREHANA NY RIVODOZA FYTIA
Janoary
Foibem-pandrindrana ny BNGRC
Nidina ifotony teny amin’ny Foiben’ny BNGRC Antanimora ny Praiminisitra,lehiben’ny Governemanta Herintsalama Rajaonarivelo sy mpikambana sasantsasany ao anatin’ny Governemanta ka anisan’izany ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa
Nijery ny fomba fandrindrana n’y fepetra rehetra raisina hiarovana ny vahoaka izy ireo
Laharam-pahamehana hoy ny Praiminisitra ny famonjena ain’olona ary tsy maintsy mihetsika haingana
Hatreto,tsy nisy ny aina nafoy fa tao kosa ireo naratra sy faritra marefo voakasika
Efa nisy fepetra noraisina mialoha indrindra ho an’ireo Faritra tratran’ny fanairana mena
Nankasitraka ny Fanavaozana ny fomba fiasa ny Praiminisitra ary nanome toromarika vitsivitsy
Fanentanana tsy tapaka
Fampiasana fitaovam-pifandraisana sy fanangonana vaovao marina
Fanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina.