
Nihaona androany ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) notarihin’ny solontena maharitra lefitra niaraka tamin’ny solontena avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena eo anivon’ny Firenena Mikambana.