Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
FIHAONANA NANASAN'NY COLLECTIF DES GENZ NY MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY FANAVAOZANA
ANDAO ISIKA HIHAONA ANDIANY FAHAROA
24 Janoary 2026
Mahamasina
FIHAONANA NANASAN’NY COLLECTIF DES GENZ NY MINISITERAM-PANJAKANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY FANAVAOZANA
ANDAO ISIKA HIHAONA ANDIANY FAHAROA
Hoy ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana , Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA, raha namaly ny fanontanian’ireo tanora nandritra ny fihaonana:
Mahomby ny Fanavaozana raha mandray andraikitra sy mandray anjara daholo ny rehetra
Hiantoka ny fampandraisana anjaran’ny rehetra ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana
Tsy ny olona rehetra no faly amin’izao firosoana amin’ny Fanavaozana izao satria misy tombontsoa manokana voakitika ao
Mizara roa ny andraikitra ao anatin’ny Fikaonandoham-pirenena: misy ireo izay hitarika ary misy ireo izay handray anjara. Ny olom-boafidy dia tsy afaka hitarika mihitsy.
Ny fokonolona no hitondra ny hevitra eny anivon’ny fokontany fa tsy ny sefo fokontany