Fihaonana teo amin'ny SADC sy ny Minisiteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: nitondra ny tatitry ny iraka nampanaovina azy teto Madagasikara ny delegasionan'ny "Comité des sages" tarihin'i Dr Joyce Banda

🗓️05 Martsa 2026
📍Lapan’iMahazoarivo
✅ Nahafapo ny dia teto Madagasikara izay niantomboka ny zoma 27 febroary lasa teo ary hifarana rahampitso hoy ny filohan’i Malawi teo aloha,Dr Joyce Banda izay nitarika ny delegasionan’ny SADC.
👉Anisan’ny goavana indrindra tamin’ireo vokatra azo tamin’ity iraka ity hoy izy ny namoahan’ny fitondrana misahana ny fanavaozana ilay programan’asan’ny fanavaozana.Maniry izy ireo ny hanapariahana iny antontan-kevitra iny ho an’ny malagasy rehetra
👉Nihaona tamin’ny ankolafin-kery maro izy ireo tamin’izao diany izao ka nahitana fikambanam-behivavy, fikambanana tanora,antoko politika,firaisamonim-pirenena, ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ary ny FFKM
👉Maro tamin’ireo olona na fikambanana nihaona tamin’izy ireo no efa afapo rehefa nahita ilay programanasa saingy
👉Misy kosa ireo mbola tsy mahazo tsara na tsy tena mankasitraka ihany koa ny votoatiny kanefa vonona ny handray anjara anatin’ireo dingana rehetra amin’ny fikaonandoha.
✅Nanamafy moa ny Dr Joyce Banda fa tsy hanery na hilaza izay tokony atao no antondiany eto Madagasikara fa dia mpanaramaso ny asa ho an’ny fanavaozana fotsiny ihany
🎯Anankiray ihany ny tanjona hoy izy dia ny ady amin’ny fahantrana satria i Madagasikara dia firenena manan-karena ka tsy tokony hahantra ny vahoaka ao aminy, tahaka an’i Malawi ihany.
🗣️Raha nandray anjara fitenenana ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa dia nanambara fa tafiditra indrindra ao anatin’ny iraka sy andraikitry ny Minisitera izay tantaniny ny famolavolana ireo dingana arahana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena izay voarakitra ao anatin’ny Programan’asan’ny Fanavaozana.
👉Namolavola ny Minisiteram-panjakana, nentina nodinihina sy niarahana nanapaka teo anivon’ny Comité de Pilotage ahitana ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Primatiora ary ireo mpikambana hafa niaraka tamin’ny Conseil Consultatif.
👉Naka hevitra avy amin’ny olona sy fikambanana maro ihany koa anefa. Ary mivoha hatrany ny varavarana ho an’ireo te hanolotra hevitra hoy ihany izy.
👉Fomba mampiaty no entina hitondrana ny fikaonandoha izay hiainga any amin’ny fokontany ary ny Minisiteram-panjakana no hiantoka ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena rehetra.
👉Nohamafisiny ihany koa fa tsy hisy ho very ny tsoakevitra nandritry ny fikaonandoha ary teknolojia avo lenta no entina manangona hevitra. Teny hierana avokoa ny fanapahan-kevitra raisina fa tsy hisy ny baiko midina
👥Anisan’ny nanatrika ity fihaonana ity ihany koa ny Minisitry ny tanora sy ny fantanjahantena Rasambany Desiré.
👉Voalazany tamin’io fotoana io fa laharam-pahamehana ho an’ny Minisitera tantaniny ny tanora ka tsy azo atao ankilabao
🗓️Ny 11 Martsa izao koa no hanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikaonandoha ho an’ny tanora ka hamaritana ireo paikady, ireo tetiandro ary ny fomba hitondrana marina ny fikaonandoha.
✅Aorian’izao iraka izao dia entina eo anivon’ny « Sommet de la SADC » ny tatitr’ireto delegasiona ireto ary aorian’izay dia hisy ihany koa ny iraka teknika ho tonga eto amintsika.
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana
#mepcr#fikaonandoha#Fanavaozana