
Nihaona tamin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky androany maraina ny delegasionan’ny SADC notarihin’ny Dr Joyce Banda, filohan’ny Repoblikan’i Malawi teo aloha sady lehiben’ny delegasionan’ny Comité des sages eo anivon’ny SADC ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Ity fihaonana ity dia nentina namaly ireo fanontaniana mahakasika lohahevitra maro.

Nanamarika ny Minisi-panjakana fa tsy mitovy amin’izay niseho tamin’ny 2009 ny zava-misy ankehitriny. Satria efa banga ny toeran’ny filoha izay niala teto Madagasikara ary nanaraka ny Lalàmpanorenena ny fametrahana tamin’ny toerana ny Filohan’ny Fanavaozana Michael Randrianirina sy ireo Mpanolotsaina Avo Manokana araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Noresahana ihany koa ireo dingana anaty Fikaonandoham-pirenena. Tao anatin’izay roa volana izay dia mandrafitra ny fomba fiasa sy ny lasin-tsaina itondrana izany fikaonandoha izany ny Minisitera. Nisy ireo dinika savaranonando tamin’ny faritra 10.

Ity taona 2026 ity no natokana ho an’ny Fikaonandoham-pirenena ka

Ny telo velona voalohany hametrahana ireo rafitra sy hamaritana ireo filàna rehetra ary indrindra hanatanterahana ireo fiofanana isan-tsokajiny.

Ny telo volana faharoa kosa no hanaovana fikaonandoha andrana amin’ny faritra telo.

Ny enimbolana faharoa indray kosa no hotanterahana ny fikaonandoha miainga avy amin’ny fokontany (2 volana), ny kaominina sy ny distrika(2 volana), ny faritra (1 volana)ary hamaranana azy ny Fikaonandoham-pirenena (1 volana).
Ao anatin’izany fikaonandoha izany no handraisana ny hetahetan’ny vahoaka ka ny olana avadika ho vahaolana.

Ny Minisiteram-panjakana no hiantoka ny fampandraisana anjara ny ankolafy rehetra : vehivavy, tanora, fiarahamonim-pirenena , fikambanana ara-pinoana, ray amandreny ara-drazana…Ny tanjona dia ny handrafetana Lalàmpanorenana vaovao hahatongavana amin’ny Repoblika faha-5.

Etsy andanin’izany dia efa manatanteraka Fikaonandoha ihany koa ireo minisitera isan-tsokajiny araka ny sehatra manandrify azy avy.

Nasian-teny koa ireo sakana mety hanelingelina ny fanatanterahana ireo asa rehetra ireo. tafiditra ao anatin’izany ny toetr’andro, ny aretina nendran-drajako, ny hetsika ataon’ireo mpanao politika, ny hoenti-manana izay mbola tsy voasoritra ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026 ka tsy maintsy ho ahitsy.

Miezaka ny hampiasa ny volam-panjakana ny Minisiteram-panjakana fa tsy mandà kosa ny fanampiana avy any ivelany.

Tsy fifanarahana ara-politika araka izay nisy hatramin’izay no hatao fa omena lanja avokoa ny sehatra rehetra, sosialy, toekarena. Tsy fizarazarana seza no atao eto Madagasikara. Ireo antoko politika miisa nanao fanambarana handravana andrim-panjakana ireo dia tsy mba nandray anjara amin’ny fiainana politika, tsy nanabe ara-politika akory ireo vahoaka fa manao fanambarana fotsiny rehefa tonga ny fifidianana.

Nanamafy moa Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA raha nanontaniana ny mahakasika ny tondrozotra 2011 fa tsy notanterahana mandraka androany ny andininy maro tao anatin’izany satria tsy nisy ny finiavana politika ary tsy nijery ny tena toe-java-misy eto Madagasikara ny famahana olana tamin’izany fotoana izany. Nilaza moa izy fa tsy tokony horesahana intsony izany. Mila mihavana ny vahoaka sy ny mpitantana fa tsy ny mpanao politika no hampihavanina.

Mbola hiverina eto Madagasikara moa ireto delegasiona ireto ary nanambara izy ireo fa vonona hanampy hatrany ny Sadc amin’ny lafiny politika sy fandriam-pahalemana.