FIHAONAN'NY MINISI-PANJAKANA SY NY IRAKA MANOKANA MOMBA NY FIFIDIANANA AVY AMIN'NY FIRENENA MIKAMBANA

🗓 28 JANOARY 2026
📍ANTANINARENINA
✅Noraisin’ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA androany ny delegasiona notarihin’Atoa Anthony Ngororano, Mpandrindra maharitra ao amin’ny Rafitry ny Firenena Mikambana (SNU) sy ireo iraka manokana avy amin’ny Firenena Mikambana nahitana an’Atoa Simon Pierre Nanitelamio, Atoa David Lokulutu Bongwele, Atoa Robert Gerenge, Atoa Jorge Grayeb izay samy manana hairaha mahakasika ny fiffidianana avokoa .
✅Hijanona eto Madagasikara izy ireo hatramin’ny 14 febroary 2026 hanao tombana ireo rehetra ilain’i Madagasikara entina hanatanterahana ny fifidianana. Aorian’izay dia hanolotra soso-kevitra mba hahafahany manohana ara-teknika ny firenena malagasy amin’ny fifidianana.
✅Ankoatra ny fifidianana, dia nisongadina nandritra ny fihaonana ny maha-zava-dehibe ny Fanavaozana ny Repoblika.
👉Nohamafisin’Atoa Ngororano ny fahavononan’ny Firenena Mikambana hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ny governemanta malagasy amin’ny Fanavaozana ny andrimpanjakana sy ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana.
👉Noresahana ihany koa ny tena zava-misy marina eto Madagasikara, ireo filàna amin’ny fikaonandoham-pirenena ary ny fanohanana ara-teknika ireo dingana rehetra ho amin’ny fanavaozana.