FIKAONANDOHA HO AN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

🗓️4 Martsa 2026
📍CCI Ivato
♻️Mitohy hatrany ireo fikaonandoha isan-tsehatra ka ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy no nanatanteraka izany androany.
👥Nanatrika ny lanonana fanokafana ny fikaonandoha androany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny lehiben’ny andrim-panjakana, ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana sy mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta
✅Madagasikara ho Lovainjafy no tanjona anatin’izao Fikaonandoha entina hanavaozana ny sehatry ny ny tontolo iainana izao
🗣️Hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗦𝗜𝗠𝗔𝗡𝗔 𝗥𝗮𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲̈𝗹:
👉Tokony arovana hatrany ny zavaboahary, ahitsy ny politikam-pitantanana, ary hanana ny anjara toerany lehibe ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Maro ny tetikasa sy famatsiambola voaray eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana kanefa toa zary toeram-pandalovana hanao sonia fotsiny ihany ny Minisitera hoy izy. Izao fikaonandoha izao no antenaina hanitsiana izany hoy izy.
🗣️Nanipika kosa ny mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana Anthony Ngororano fa :
👉Fotoana manan-danja ho an’i Madagasikara izao hametrahana fampandrosoana maharitra sy matanjaka tsy marefo. Tsy anaty fikoropahana fa hametrahana politika mazava handrakitra ny tena laharam-pahamehana.
🗣️Hoy ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta Herintsalama Rajaonarivelo raha nandray fitenenana:
👉Ny fahasimban’ny tontolo iainana dia misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona. Rehefa tsy misy ny rano, potika ny voly, tsy manana hohanina sy very asa ny mponina. Araka izany fizahan-tany miompana amin’ny tontolo iainana no tsara hamafisina ka aleo ny vola miditra no atao izay hahabetsaka azy fa tsy ny isan’ny mpizaha-tany.Noho izany mila mametraka fomba maty paika entina mitantana ny tontolo iainana isika.
🗣️ Hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Colonel Michaël Randrianirina
👉Raha te hanova dia mila miainga amin’ny zava-misy isika. Mila manova rafitra, mila manova toe-tsaina, mila manova fomba fiasa. T azonina kosa anefa izay tsara.Satria ny tanjona dia ny hampihena ny fahantran’ny vahoaka malagasy. Vahaolana no andrasana fa tsy kabary. Mila mametraka tetiandro hahafahana manaraka ny asa vita.
✅Hisy dingana maro arahana ho anatin’ity Fikaonandoha ity ary ny 30 aprily no hofaranana amin’ny fomba ofisialy.
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana
#mepcr#fikaonandoha#Fanavaozana