Fikaonandohan’ny mpisehatra ara- panjakana ho an’ny fanaingana ny toe-karena

🗓️ 24 febroary 2026
📍CCI Ivato
🎯 Tanjon’ity atrikasa androany ity araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Iouri Garisse Razafindrakoto, dia hidinika miaraka momban’ny hetaheta, fangatahany sy fitakiana avy amin’ireo sehatra tsy miankina.
👥 Nandray anjara tanatin’ity fotoana ity ny solontena avy amin’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana.
✅Mandritry ny atrikasa dia ho fakafakaina ireo tolo-kevitra rehetra ary hametraka ny fanamarihana ihany koa ny avy amin’ny sehatra ara-panjakana .
✅Hojerena araka izany ny vahaolana hahafahan’ny sehatra tsy miankina mamokatra misimisy kokoa ary hampitombo ny famoronana asa.
✅Apetraka ihany koa ny resaka fifampitokisana raha toa ka somary verivery izany teo aloha. Izany rehetra izany tsy natao ho zavatra handalo fotsiny fa ezahina haharitra.
✅ Maneho ny finiavany hampandroso ihany koa ny fanjakana ka tsy ho resaka fotsiny fa tena misy lalan-kizorana mazava, entina eo amin’ny sehatra rehetra.
✅ Raha tsiahivina dia manana tanjona ny hamoahana fifanekena nasionaly miaraka amin’ny fifanarahana amin’ny asa vita, tetiandro mazava sy rafi-pitantanana ary fanaraha-maso ny dinika rehetra notanterahina ao anatin’ny fanaingana ny toe-karena.
✅ Kendrena ny hanavao ireo fifanarahana ara-toekarena eo amin’ny fanjakana sy sehatra tsy miankina ao anatin’ny fohy ezaka amin’ity taona 2026 ity.
🔘Tohin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoha nasionaly ho an’ny fanaingana ny toe-karena tamin’ny 19 janoary sy ireo dinika natao tany amin’ny faritra ity atrik’asa ity.
📷MEF
#mepcr#fikaonandohampirenena#Fanavaozana
Fifanajana,Fiaraha-mientana,Finiavana