Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 01 Febroary 2026 – 10 ora maraina
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 61 km atsinanana somary atsimo atsinanan’i Vatomandry no nisy ny foiben’ilay andro ratsy FYTIA. 55 km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 75 km/ora indraindray.
Nikisaka nianatsimo somary atsimo atsinanana manalavitra ny morontsiraka izy ka nahafaka 22 km/ora. Tsy manambana ny Nosy intsony araka izany ny ity andro ratsy ity
Noho izany dia foana avokoa ny filazana loza mikasika ny rivodoza.
Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Toamasina sy Mananjary mba tsy hiandriaka satria mbola mahery ny ranomasina, ary mafy ny rivotra any an-dranomasina.
Fanamarihina :Ity no filazana farany mikasika an’i FYTIA raha tsy misy ny fiovana goavana.