FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 10 Febroary 2026 – 04 ora hariva

☑️ Tamin’ny 03 ora tolakandro teo dia tany amin’ny 89 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’i GEZANI. Nitombo hery ka lasa rivodoza mahery vaika izy. Niakatra ho 185 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 260 km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 18 km/ora.
☑️ Andrasana ny fidirany an-tanety ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, manomboka amin’ny 06 ora hariva.
❗❗ Efa mipaka amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny rindrin-drahona mialoha azy. Hihamafy hatrany ny rivotra manomboka eto ary hijojo ihany koa ny orana. Ahiana araka izany ny tondradrano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany❗❗
🚨Ho fisorohana ny fidirana amin’ny filazana miloko mena amin’ny alina dia miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza :
📕📕 Loza mitatao miloko mena : Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga ary Betsiboka ;
📒📒 Loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;
⚪⚪Foana ny filazana loza : Andapa sy Antalaha
⚠️ Hamakivaky ny faritry ny afovoan-tany izy anio alina sy rahampitso, ary vinavinaina hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika, eo anelanelan’ny Maintirano sy Morondava rahampitso alina.
☑️ Efa manomboka mikasika ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy iny ny rahona mialoha azy.
⛔️ Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Vohemar sy Mahanoro mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Besalampy sy Morombe manomboka rahampitso maraina.⛔️
🙏Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Loharanom-baovao: Foibe famantarana ny toetry ny andro.
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar