FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 10 Febroary 2026 – 08 ora alina

☑️ Niditra an-tanety tamin’ny 07 ora sy sasany teo, tao Toamasina ilay rivodoza mahery vaika GEZANI. 180 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 250 km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 16 km/ora.
❗❗ Haharitra mandritra ny adiny iray eo ho eo ny fitoniana mandritra ny fandalova’i ivony.Aorian’izay dia hiverina hisafotofoto indray ny rivotra ary hijojo ny orana.❗❗
🚨Tsy misy fiovana ny filazana loza mikasika ny rivodoza :
📕📕 Loza mitatao miloko mena : Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga ary Betsiboka ;
📒📒 Loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky, Menabe, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;
⚪⚪Foana ny filazana loza : Andapa sy Antalaha
⚠️ Hamakivaky ny faritry ny afovoan-tany izy anio alina sy rahampitso, ary vinavinaina hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika, eo anelanelan’ny Maintirano sy Morondava rahampitso alina.
⛔️ Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Vohemar sy Mahanoro mba tsy hiandriaka satria mikorontana ny toetry ny andro. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Besalampy sy Morombe manomboka rahampitso maraina..⛔️
🙏Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Loharanom-baovao: Foibe Famantarana ny toetry ny andro
🔑 Météo Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar