Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 11 Febroary 2026 – 10 ora maraina
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tao amin’ny Kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe no nisy ny foiben’i GEZANI. Nihena hatrany ny heriny. 45 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 60 km/ora indraindray. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 26 km/ora.
Vinavinaina hivoaka any amin’ny lakandranon’i Mozambika, eo anelanelan’ny Maintirano sy Morondava izy anio hariva na ny alina. .
Mbola hitohy ny orana miatoato amina faritra maro ary mbola mety handrivotra ny andro amin’ny ankapobeny. Azo ambara kosa nefa fa efa nihena ny hambana mivantana. Noho izany dia miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza.
Miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza :