Ministère d'État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA | 14 Febroary 2026 – 11 ora maraina
Tamin’ny 10 ora maraina teo, dia tany amin’ny 898 Km andrefan’ Itampolo/Ampanihy no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery GEZANI. 155 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 210 km/ora. Nikisaka nianatsimo izy ka nahafaka 15 km/ora.
Tombanana hikisaka hiatsinana sy avaratra atsinanana izy ato anatin’ny roa andro manaraka, ka mety hivoatra any amin’ny manodidina ny 150 km miala ny morontsirak’Itampolo ny Alatsinainy alina.
Mba ho fiomanana amin’ny mety hahavoakasiky ny rivotra mafy (manodidina ny 65 km/ora) ny morontsiraka Atsimo Andrefana iny, dia entanina ny mponina amin’ireto distrika manaraka ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maintso : Ampanihy Andrefana, Beloha ary Tsihombe.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Morombe sy ny Tanjona Vohimena mba tsy hiandriaka intsony manomboka rahampitso atoandro, satria hiharatsy ny toetry ny ranomasina
Entanina ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Loharanom-baovao : Foibe famantarana ny toetry ny andro