Ny fokontany Ankazomasina, kaominina Merimandroso , distrikan’ Ambohidratrimo faritra Analamanga no nanombohan’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ny fisedrana ny fomba fiasa eny ifotony ho enti-manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena androany.
Niara-nisalahy tamin’izany ny tompon’andraikitry ny kaominina, sy ny fokontany notronin’ireo mpisehatra ifotony avy amin’ny firaisamonim-pirenena sy ny tanora.
Santatra izao fomba fiasa mivelatra sy mampiaty izao ary hanomezana lanja ny traikefa anananan’ny mpisehatra rehetra any amin’ny toerana izay tena ifantohan’ny asa.
Tsy miainga amina raikipohy ny fomba fiasa fa fiarahana mikaroka izay sahaza sy indrindra indrindra mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony amin’ny faritra rehetra eto madagasikara.
Tanjona ny hahafahana manitsy sy manatsara ny fomba fiasa mba ahazoana vokatra azo antoka amin’ny fotoana hanatanterahana ny fikaonandoha araka ny tetiandro.
Nahatratra 290 ny mpandray anjara. Avy amin’ny vohitra efatra ao amin’ny Fokontany Ankazomasina : Ambohimasina, Ankazomasina, Antsahalemaka, Fiadanana ary Andranovelona.