FIVORIANA VOALOHAN'NY COMITE DE PILOTAGE HO AN'NY PAIKADY NASIONALY HIADIANA AMIN'NY KOLIKOLY 2025-2030

🗓30 Janoary 2026
📍Mahazoarivo
FIVORIANA VOALOHAN’NY COMITE DE PILOTAGE HO AN’NY PAIKADY NASIONALY HIADIANA AMIN’NY KOLIKOLY 2025-2030
✅Hoy ny Praiminisitra raha nandray fitenenana:
👉Asa fa tsy kabary no tanterahana hoy ny Praiminisitra ary ny vokatra no hitsarana ny tsirairay
👉 Mila Fanavaozana ny fitantanana ny firenena, ny politikam-pampandrosoana
👉 ‼Mila fihavaozana sy fanovana toe-tsaina ihany koa na ny mpanao kolikoly na ny mpandray kolikoly
👉Tokony ho modely hijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana hatrany ny mpiasam-panjakana sy ny mpitondra hahafahan’ny malagasy misitraka ny zo fototra
❗️ Ampiharina ny lalàna ho an’izay mihoa-pefy, tapitra hatreo ny kolontsainan’ny tsImatImanota , eny fa na ny mpikambana ao anatin’ny governemanta aza
👍 Ho tanteraka tokoa ny fanovana raha samy mandray ny anjara tandrify azy avy ny rehetra ary ho tany sambatra i Madagasikara, hiadana ho finaritra tokoa
✅ Filoha miara-mitantanana ity « comité de pilotage » ity ny lehiben’ny CSI sy ny Praiminisitra
✅Anisan’ny mandrafitra ity « comité de pilotage » ity ihany koa ny Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana,Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA
👉Miavaka ity paikady ity satria misy rafitra mpitarika,misy rafitra fanombanana tsy tapaka ary misy fanitsiana raha misy tsy mandeha araka ny tokony ho izy
👉Misy ny drafi-panatanterahana mazava , miaraka amin’ny tetiandro, tanjona ary vokatra andrasana azo refesina.
👉Tsy mijanona eo anivon’ny Minisitera foibe intsony ny ady amin’ny kolikoly fa hatrany amin’ny faritra sy ny kaominina