FIVORIAN’IREO MPIARA-MIOMBON’ANTOKA EO AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA

🗓26 JANOARY 2026
📍ANTANIMENA
👥Mpikarakara: Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
👥Mpandray anjara: ny mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, Minisitera isan-tsokajiny ary voasolo tena tao ihany koa ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
▪Nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ny rehetra momba ny lesoka tokony harenina momba ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola:
✅Voalaza tamin’izany fa tena miadana tokoa ny fikirakirana ny antontan-taratasy eny anivon’ny fitantanan-draharam-panjakana ka mampikatso ny fanatanterahana ireo tetik’asa.
✅Anisan’ny olana lehibe koa ny fandrrindrana ny tetikasa eny anivon’ny Minisitera satria samy mitazona irery ka tsy mizara ireo antontan-kevitra tokony ho fantatra . ✅MEPCR: Nandritra ity fotoana ity dia nanambara ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana fa:
👉 ny finiavana no vahaolana ho an’ny rehetra isan’ambaratongany raha tiana ny hampirindra ny asa iarahana manao rehetra.
👉 ireo fehin-kevitra tapaka mandritra ireo Fikaonandoha isan-tsehatra , ary tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny fambolena, dia hodinihina mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
✍️Aorian’izay no hamoahana ny antontan-kevitra hitondra ho amin’ny Fanavaozana ; hametrahana vinam-pirenena anaty taona maro mba hampirindra ny politikam-panjakana, ny fiaraha-miasa amin’ny mpiaramiombon’antoka ary ireo laharam-pahamehana ho an’ny firenena.