Miombom-po tanteraka amin’ny vahoakan’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo isika. Indrindra ny ao Toamasina I sy ny manodidina.
Mankahery ny Malagasy rehetra tratry voina sy rava fananana. Arahabaina ihany koa ireo tsy maty fo aman’aina satria tena mafy be ny fipaikan’i #Gezani.
Isika rehetra izay ao anatin’ireo faritra voalaza fa mbola handalovany kosa dia entanina hanara-baovao tsy tapaka sy hanaiky ny fandaminana rehetra hisorohana, arak’izay tratra, ny vokadratsin’ny fandalovan’ity rivodoza ity.
Farany dia manentana antsika rehetra tsy ankanavaka hiara-mientana sy hifanome tanana amin’izao voina mihatra amin’ny Firenentsika izao.
Ny Minisi-panjakana
Me Hanitra Razafimanantsoa