🗒️ 03 Aprily 2026
📍 Anosy
🟢 Tonga tamin’ity fotoana ity ihany koa ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Général de Brigade Marcellin Zafitasondry sy ny Kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta ka anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana,Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA.
✅ Vita io maraina io araka izany ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy
– Ny filoha voalohan’ny Fitsarana an-tampony, Ramatoa Ramanankavana Claudette Sophie
– Ny filohan’ny Fitsarana Fandravana, Ramatoa Rabetokotany Tahina
– Ny filohan’ny Filankevi-panjakana, Andriamatoa Rabarisoa Andrianaina
🗣️ Niombonan’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony vao notendrena ireto tanatin’ny fandraisam-pitenenany ny hametrahana fanjakana tan-dalàna, ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny Fitsarana, ny hanafainganana ireo raharaham-pitsarana , ny tsy handeferena amin’ny tsimatimanota sy ny kolikoly ary indrindra ny hisian’ny fahaleovan-tenan’ny mpitsara.
#Ministère chargé de la Refondation.