Mots du Ministre

Ministre d’État auprès de la Présidence en Charge de la Refondation – MEPCR –

RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina

                   Ry vahoaka malagasy hajaina,

          Tongasoa eto amin’ny tranokalan’ny Ministeram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana ianao.
Maika isika malagasy maro an’isa mba hanana fiainana vanona sy tsara kokoa.  Koa mila fanovana  ny rafitra ara- toekarena sy rafi-piaraha monina, mila fiovana ny rafi-tsaina.

           Tsy fandamindaminana sy marimaritra iraisana no takian’izany fa fanovana mahery vaika avy ifotony. Tsy mora kanefa tsy azo ihodivirana mba hamonjena ity firenena ity. Mba tsy hiaina krizy politika anatiny mandoza sy manimba intsony ny taranaka.
           Ny fandraisana anjara avy amin’ny olom-pirenena tsirairay no hahatanteraka izany : hevitra, asa, fa indrindra fiovana miabo eo amin’ny hatao, miainga amin’ny tsirairay.
           Koa ity Ministera ity no miantoka ny fandraisana anjara n’ny olom-pirenena rehetra avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra sy hatrany ampita rehetra.
           Entanina araka izany ny firotsahana mavitrika, hanome hevitra sy hiaro izany. Ny feo sy ny hevitry ny olom-pirenena tsirairay dia manan-danja. Ny hamaroana sy fahasamihafana dia herin’ny firenentsika.
           Ny fakan-kevitra sy fanorenana rehetra dia hiaro ny tombotsoan’ny olom-pirenena malagasy hiaina finaritra eto amin’ny taniny ; hiantoka ny ho avin’ny taranaka amin’ny alalan’ny fananganana Repoblika manana vina matanjaka sy lavitr’ezaka, iaraha-manorina sy ifanekena.
           Koa hifanome tanana isika handrava ny fahalovana mandoza, hanorina indray ambon’ny fototra mafy, dia ny fitiavan-tanindrazana sy firaisankinan’ny malagasy, ho fikatsahana ny soa iombonana sy ny rariny.
           Dia ho Malagasy mendrika no homanina ho an’i Madagasikara rahatrizay ho an’ny taonjato ho avy mifandimby.

          Chères citoyennes, chers citoyens,

          Bienvenue sur le site du Ministère d’État chargé de la Refondation. Madagascar se trouve à un tournant crucial, nécessitant une République rénovée, juste et solidaire. Dans ce contexte, l’engagement citoyen est essentiel, et notre ministère agit comme un vecteur de changement en prônant la participation, l’inclusion et la souveraineté.

  Nous croyons fermement que chaque voix compte et que la diversité des opinions renforce notre démocratie. Nous nous engageons à créer des espaces d’expression libre pour tous, rassemblant les citoyens de toutes les régions, afin de bâtir une société plus juste et un avenir commun. Chaque personne, qu’elle soit urbaine ou rurale, doit se sentir valorisée et impliquée dans cette démarche.
          La refondation de la République est notre objectif : une renaissance nationale portée par l’engagement collectif. En unissant nos forces, nous pourrons restaurer la confiance et promouvoir une gouvernance exemplaire. Nos priorités incluent la stabilisation du pays face aux besoins sociaux urgents, l’initiation de réformes structurelles contre la corruption, et l’organisation d’élections transparentes et inclusives.
          Ensemble, avec foi et courage, nous avons le pouvoir de faire renaître Madagascar, de renforcer notre autonomie et de protéger notre identité. Je vous invite à explorer notre site pour découvrir nos actions et l’évolution de nos projets. Rejoignez-nous dans cette mission essentielle pour refonder notre nation sur des bases solides.