🗓️11 Aprily 2026
📍Fokontany Tomboarivo, Antsirabe I
✅Nitohy tao amin’ny Fokontany Tomboarivo, distrika Antsirabe I ny fikaonandoha sedra sy fampiharana ny tolakandron’ny Sabotsy 11 Aprily 2026
🗣️Ny faritra Vakinankaratra hoy ny Minisitry ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa no nosafidiana satria izy no tanàna faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanentanany ny olom-pirenena handray anjara amin’izao fakan-kevitra izao mba tsy ho ny hafa hoy izy no hiteny amin’ny toeranareo. Ety ifotony hoy izy no mahalala ny maharary azy ary afaka mandroso vahaolana kokoa.
👤Ity fotoana ity ihany koa no nanolorana tamin’ny fomba ofisilay ny Talem-paritra misahana ny fanavaozana ao Vakinankaratra Ramatoa Rajaonarivony Tantely.
👥Nahatratra 451 ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity fikaonandoha fampiharana ity ary nozaraina tanaty vondrona 16 izy ireo. Fisedrana ireo paikady napetraka no natao mba hampahomby ny Fikaonandoha izay hanomboka amin’ny volana jolay.
✍️Marobe ireo soso-kevitra naroson’ny mpandray anjara isam-bondrona ary anisan’ny nisongadina tao anatin’izany ireto voalaza manaraka ireto:
👉Fitsinjaram-pahefana satria mivangongo ao amin’ny fitondrana foibe avokoa na ny fahefana na ny olona na ny vola.
👉Fametrahana ny mangarahara sy fanjakana tsara tantana
👉Fanomezana kara-tany faobe
👉Fangatahana famatsiam-bola avy any amin’ny fanjakana satria ambony loatra ny zana-bola alain’ny banky ho an’ireo mpiasa tena
👉Fanampiana fikarohana làlam-barotra ho an’ireo mpanao asa tànana
👉Fanovana ny fandaharam-pianarana mba hifanandrify amin’ny tolotr’asa
👉Fametrahana fitaovana manaraka teknolojia eo anivon’ny fampianarana
👉Fitsaboana maimaimpoana ho an’ny vondron’olona marefo
👉Fanafainganana ny fomba fiasa eo amin’ny sampandraharaham-panjakana na fametrahana tetiandro hahazoana valiny amin’ny asa izay atao
👉Ho an’ireo manana fahasembanana : fampiharana ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavina tamin’ny taona 1994
👉Fitakiana karama farany ambany ho 1 tapitrisa ariary
👉Fitakiana ny hamahana ny olan’ny jiro fa manimba ny asa fandraharahana
👉Fanamboarana ireo làlana simba izay mitondra fatiantoka
👉Lalàna mifehy ny asa: miandany amin’ny mpampiasa ka mila ovaina
👉Tokony hisy ny fanentanana mahampafantatra fa tsara ny fanatanjahantena ary tokony hisy mpampiofana ara-panatanjahantena isaky ny fokontany
👉Tokony hampahafantarina mazava ny hetra tokony aloan’ny mpandraharaha fa tsy arakaraka izay mahafinaritra ny mpiasan’ny hetra
✅Tsy hisy ho latsaka na iray aza ireo sosokevitra rehetra voaray nandritra ity fikaonandoha fampiharana ity. Ny « Direction Générale des Encadrements Stratégiques et Opérationnels » eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana no handrafitra ho antontan-kevitra izany ary hoentina mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
#MCR#Fanavaozana#𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚
#𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚_𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐧𝐢𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚