πŸ”΄ 𝗨π—₯π—šπ—˜π—‘π—§ πŸ”΄
π—‘π—œπ——π—œπ—§π—₯𝗔 𝗔𝗑-π—§π—”π—‘π—˜π—§π—¬ 𝗧𝗔𝗒 π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 π——π—œπ—¦π—§π—₯π—œπ—žπ—”π—‘’π—œ π—¦π—’π—”π—Ÿπ—”π—Ÿπ—” π—œπ—Ÿπ—”π—¬ π—₯π—œπ—©π—’π——π—’π—­π—” π—™π—¬π—§π—œπ—” π—§π—”π— π—œπ—‘’𝗑𝗬 04𝗒π—₯𝗔 𝗦𝗬 𝗦𝗔𝗦𝗔𝗑𝗬 π—§π—˜π—’
❌❌FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA| 31 Janoary 2026 – 05 ora maraina❌❌
β˜‘οΈ Niditra an-tanety tao amin’ny distrikan’i Soalala ilay rivodoza FYTIA tamin’ny 04 ora sy sasany teo. Manodidina ny 150 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 210 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 18 Km/ora.
β˜” Efa ao anaty orana mikija tanteraka ny faritra Boeny, ny tapany avaratr’i Melaky ary ny ilany andrefan’i Bestiboka.β˜”
Noho izany dia miova ho toy izao ny filazana loza :
πŸ“•πŸ“• Loza mitatao miloko mena : Boeny, Melaky, ny Distrikan’i Kandreho sy Maevantanana ;
πŸ“’πŸ“’ Loza manambana miloko mavo : Bongolava, ny Distrikan’Ankazobe, Anjozorobe ary Tsaratanana ;
πŸ“—πŸ“— Fanairana miloko maintso : Itasy, Alaotra Mangoro, ny Distrikan’Ambatolampy, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano ary Antananarivo Avaradrano.
βš πŸ’§Hamakivaky ny faritry ny afovoan-tany ity rivodoza ity ka hitondra rotsakorana betsaka (50hatramin’ny 150 mm/24 ora) amina faritra maro.
❗️❗️ Ahiana mafy ny tondradrano, ny fiakaran’ny renirano, ny fihotsahan’ny tany sy ny lalana. Misy ny fampitandremana mikasika izany. ❗️❗️
β˜‘οΈTombanana hivoaka any an-dranomasina kosa izy ny Alahady maraina, any amin’ny faritra Atsinanana
⛔️Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Analalava sy maintirano mba tsy hiandriaka mandrapahalasa ny loza tanteraka. Toy izany ihany koa ny eo anelanelan’i Fenoarivo Atsinanana sy Mananjary manomboka anio tolakandro. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.⛔️
πŸ“MΓ©tΓ©o Madagascar
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar