Ho avy tsy ho ela ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora ho an’ny Fanavaozana. Sehatra iray ahafahan’ny tanora maneho hevitra mifampizara traikefa ary mandray anjara amin’ny fananganana ny hoavin’i Madagasikara.
Lanonam-panokafana ny amin’ny alarobia izao. Ny fakan-kevitra isamparitra sy isaky ny kaominina dia hanaraka andro vitsy ao aorian’io.