
Nilaza ihany koa Ramatoa Alice Nzomukunda fa nasehon’ireo mpitondra malagasy ny finiavana ara-politika hentitra hampahomby ny dinika, izay mitondra mankany amin’ny fiverenana indray eo anivon’ny Vondrona Afrikana.

Naneho firariantsoa ho amin’ny fahombiazana tanteraka amin’ny fanohizana ny dingana hatrany izy.

Etsy an-kilany dia nisaotra manokana an-dRamatoa Alice Nzomukunda ny Minisi-panjakana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, satria nandray anjara biriky lehibe ihany koa amin’ny dingana hamerenana indray an’fitantananai Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikana.

Nambarany fa nandritra ny fotoam-piasany teto dia noraisin’ity solontenan’ny Vondrona Afrikanina ho toy ny tanindrazany tokoa i Madagasikara, ka nasehony tamin’izany ny fitiavany sy ny fahavononany hanohana ny firenena.